Hankany amin'ny vontoatiny

Tantely

Avy amin'i Wikipedia
Tantely

Ny tantely na mamin-tantely dia zavatra mamy vokarin' ilay bibikely atao hoe tantely (Apis mellifera) sy bibikely sasany afaka manamboatra izany. Mamokatra tantely avy amin' ny tsiranoka mamy amin' ny zavamaniry (mamimbony ao amin' ny voninkazo) ny renitantely. Ny tantely koa dia mety ho avy amin' ny tsiranoka avoakan' ny bibikely hafa izay mitroka ranon-kazo mivantana sy mamoaka izany indray aty aoriana. Ampidinin' izy ireo ny habetsahan' ny rano ao amin' ilay tsiranoka mamy mba ho tonga tantely ary mihinana izany izy ireo mandritra ny taona, sady mitahiry izany mba hahafahan' ny tantely rehetra iray trano ho tafavoaka velona amin' ny ririnina mandra-pahatongan' ny lohataona manaraka.

Ny tantely koa dia hanin' ny karazam-biby hafa sy ny olona izay managona ny ambim-bava sady mamindra ny tohotra, raha ilaina, amin' ny vanin-taona sy amin' ny famonian' ny zavamaniry.

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny ohabolana momba ilay zavatra mamy no omena eto fa tsy momba ilay bibikely mpamokatra azy.

  • Anarin-tsy zaka, ka voa vao manao hoe: Nankaiza ny tanteliko teto ?
  • Aza dia atao fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely: ny tompony indray no milela-tanana.
  • Aza manao fatin-dalitra, ka maty mitety ny ratsy; fa manaova fatin-tantely, ka maty mamela mamy.
  • Boka mivaro-tantely: ny zavatra amidy mba soa ihany fa ny tenan' izy mpivarotra no mankaloiloy.
  • Fanambakana hita maso toy ilay nanandrana tantely.
  • Haja omena ny tantely no anaovana azy sorona, fa ny mamy toa azy maro ihany.
  • Hiady, ka hifamahan-tantely.
  • Hilela-maina aza hataony ka mainka fa molotra misy tantely.
  • Izaho misakeli-pary, mibaby akondro, miloloha tantely: izay entiko mamy avokoa.
  • Kamboty saro-belomina: omen-tsira, bongo maso; omen-tantely, marary kibo.
  • Mahamaro vitsika tahaka ny tantely mihanaka.
  • Mahamonamonaina, ohatra ny tantely vidin' amboa.
  • Mibaby akondro, miloloha tantely, mitehim-pary: intelo miantoana ny mamy.
  • Mpivaro-tantely mividy sakay: mivarotra ny mamy ho an' olona, fa mividy mangidy ho any ny tena.
  • Mpivaro-tantely: nilela-tanana, mpandrafitra: nindran-tseza, ka voatondro molotra akaiky.
  • Natsangako kiady, nazerany; nalahatro vato, nakorontany; veloma, ry tantely lava; masina, ry tantely fohy, fa lany haika aho.
  • Raha jerena, toa tantely fiandry andriana, fa nony dinihina, fanambonim-bary fiandry alika.
  • Solafaka aman-tsira, lavo amin-tantely: ny mamy roa ho anao daholo ?
  • Tanala mivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tanana.
  • Tantely afa-drakotra ka anjakan' ny bodo sy adala.
  • Tantely am-borodamba ka tsy fantatry ny olona ho mamy.
  • Tantely nololohavim-boka, ka mahatofoka ambony ihany.
  • Tantely notsabahim-boka ka tsy tia mbamin' ny adala.
  • Tantely sy siramamy: na dia samy mamy aza, tsy itovizana kosa ny anarana.
  • Tantely tapa-bata ka ny fo no mameno azy.
  • Tantely tapa-bata, ka ny vava no mameno azy.
  • Tantely vaky sarona, ka anjakan' ny lalitra.
  • Tsy antenaina tsy andraina, toy ny tantely am-body vintanina.
  • Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy.
  • Vary amin-dronono tondrahan-tantely : ampoky ny mamy, ampoky ny soa.
  • Voninahitra omena ny tantely, fa ny vomanga mba mamy ihany.