Rocky Mountains
Fiseho

Ny Rocky Mountains na Rockies fotsiny, dia tandavan-tendrombohitra lehibe any amin' ny tapany andrefan' i Amerika Avaratra, ao amin' ny tanin' i Etazonia sy ny an' i Kanada. Ny Rocky Mountains dia manana halava mirefy 3 000 km raha refesina manaraka tsipika mahitsy avy any amin' ny faritra avaratra indrindra amin' ny faritra andrefana amin' i Kanada, mankany New Mexico any atsimo andrefana amin' i Etazonia.
Ny tendrombohitra mamorona azy ireo dia nisakana ny mpifindra monina amerikana sy kanadiana tsy hanitatra ny toeram-ponenany any amin' ny faritr' i Amerika Avaratra nandritra ny fakàn-tany any Andrefana.