Fiteny

Ny fiteny na teny[1] dia rafi-pifandraisana ampiasain' ny olombelona, iombonan' ny vondron' olona iray, izay ahitana fitsipi-pitenenana sy voambolana. Io no fomba voalohany ampitan' ny olombelona ny heviny, na am-bava izany na an-tsoratra. Samy manana ny mampiavaka azy ny fitenin' olombelona noho ny fahasamihafan' ny kolontsaina sy ny tantara nivoarany. Manana toetra ahafahana mamorona fehezanteny tsy voafetra isa ny fitenin' olombelona, ary afaka manondro zavatra sy hevitra izay tsy atrehina akory mandritra ny fitenenana. Miorina amin' ny fifanarahana ara-piarahamonina ny fampiasana ny fitenin' olombelona sady vokatry ny fianarana ny fahaizana azy.
Ny fiteny dia heverina fa fomba fifandraisana an' ny olombelona manokana, na dia manana fomba fifandraisana sarotra azo, izay lazaina hoe fitenim-biby, aza ny biby.
Eo anelanelan' ny 5 000 sy 7 000 ny isan' ny fitenin' olombelona eran-tany. Miankina amin' ny fomba fanavahana ny fiteny sy ny fitenim-paritra ny tombantombana marina. Tenenina na soratana ny fiteny voajanahary, na sady tenenina no soratana; na izany aza, ny fiteny rehetra dia azo ampitaina amin' ny alalan' ny fanaitra (en) henon' ny sofina, hitan' ny maso, na tsapan' ny tanana - ohatra, ny soratra, ny sioka, ny fitenin-tanana, na ny braille.

Ny endika fahita indrindra dia ny fiteny tenenina toy ny fiteny anglisy na ny fiteny sinoa tenenina. Na dia izany aza dia misy koa ny fiteny soratana sy ny fomba hafa ifandraisana tsy mila feo toy ny fitenin' ny moana (na baiko moana).
Arakaraka ny fomba fijery filôzôfika momba ny famaritana ny fiteny sy ny hevi-teny, rehefa ampiasaina amin' ny heviny ankapobeny, ny teny hoe "fiteny" dia mety manondro ny fahafahana mahalala ka ahafahan' ny saina hianatra sy hampiasa rafi-pifandraisana be pitsiny, na ny fahafaha-mamaritra ny fitsipika rehetra mandrafitra ireo rafitra ireo, na ny vondron' ny fehezanteny azo vokarina amin' ny alalan' ireo fitsipika ireo. Miankina amin' ny dingan' ny fanakaran-kevitra ny fiteny rehetra mba hampifandraisana ny marika amin' ny hevitra. Manana rafi-peo mifehy ny fomba ampiasana ny marika ny fiteny am-bava sy an-tanana ary am-pikasihana, mba hamoronana teny na hasin-teny, sady manana vondrom-pitsipiky ny rariteny izay mifehy ny fomba fampitohizana ny teny sy ny hasin-teny mba hamorona andian-teny sy fehezanteny.

Antsoina hoe haiteny na haifiteny na haitsikerafiteny ny fandalinana ara-tsiansa momba ny fiteny. Niadian-kevitra farafaharatsiny nanomboka tamin' i Gôrgiasy (Γοργίας) sy i Platôna (Πλάτων) tamin' ny sivilizasiôna grika fahiny, ny fandinihana mitsikera ny fiteny, toy ny filôzôfian' ny fiteny, ny fifandraisan' ny fiteny sy ny eritreritra, ny fomba anehoan' ny teny ny zava-misy, sns. Nilaza ny mpandinika toa an' i Jean-Jacques Rousseau (1712–1778) fa avy amin' ny fihetseham-po no niandohan' ny fiteny, fa ny hafa toa an' i Immanuel Kant (1724–1804) kosa dia nilaza fa avy amin' ny eritreritra voasaina sy lôjika ny fiteny. Nanamafy ny filôzôfa tamin' ny taonjato faha-20 toa an' i Ludwig Wittgenstein (1889-1951) fa fandalinana ny fiteny mihitsy ny filôzôfia. Ny olo-malaza amin' ny haifiteny ankehitriny dia ahitana an' i Ferdinand de Saussure sy i Noam Chomsky.

Heverina fa niala tsikelikely avy amin' ny rafi-pifandraisan' ny Primates teo aloha ny fitenin' olombelona rehefa afaka namorona rijan-kevitra momba ny saina sy ny finiavana ifampizarana ny Hominini voalohany. Indraindray io fivoarana io dia heverina ho nifanojo amin' ny fitomboan-kadirin' ny atidoha, ary maro ny mpahay teny no mahita ny firafitry ny fiteny ho nivoatra mba hisahana anjara asa ara-pifandraisana manokana sy ara-piarahamonina. Voasahana amin' ny toerana maro samihafa ao amin' ny atidohan' olombelona ny fiteny, fa indrindra ao amin' ny toerana roa atao hoe "faritr' i Broca" sy "faritr' i Wernicke". Afaka mampiasa fiteny ny olombelona amin' ny alalan' ny fifandraisana ara-piarahamonina hatramin' ny fahazazana, ary amin' ny ankapobeny dia miteny tsara ny ankizy manodidina ny fahatelo taonany. Mifampiankina ny fiteny sy ny kolontsaina. Noho izany, ho fanampin' ny fampiasana ny fiteny amin' ny fifandraisana, ny fiteny dia manana ny fampiasana azy ara-piarahamonina toy ny fanehoana ny maha-izy azy ny vondrona misy ny tena, ny ambaratonga eo amin' ny fiarahamonina, ary koa ny fampiasana azy amin' ny fanadiovana ara-piarahamonina sy amin' ny fialamboly.
Mivoatra sy mitombo isa ny fiteny rehefa nandeha ny fotoana, ary azo fantarina amin' ny fampitahana ny fiteny ankehitriny ny tantaran' ny fivoarany mba hamaritana izay mety ho toetra tsy maintsy nananan' ny fiteny razambe ka nisian' ny dinganam-pivoarana taty aoriana. Ny vondrom-piteny avy amin' ny razambe iray dia fantatra amin' ny anarana hoe fianakaviam-piteny. Mifanohitra amin' izany kosa ny fiteny izay naharihary fa tsy manana fifandraisana velona amin' ny fiteny hafa ka antsoina hoe fiteny manirery. Betsaka ihany koa ny fiteny tsy voasokajy izay tsy fantatra ny fifandraisany amin' ny fiteny hafa, ary mety tsy nisy mihitsy ny fiteny tsy voaporofo fisiana. Ny marimaritra iraisana eo amin' ny manam-pahaizana dia milaza fa eo anelanelan' ny 50 % sy 90 % amin' ny fiteny ampiasaina amin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21 dia mety hanjavona amin' ny taona 2100.

Nandritra ny Andro Vaovao dia nihabetsaka ny isan' ny fiteny foronina. Fiteny mbola tsy nisy taloha ny fiteny foronina, fa noforonin' ny olona iray na maro; tokony ho sarahina amin' ny fitenim-pirenena ny fiteny foronina; ny fiteny esperantô no fiteny foronina malaza indrindra maneran-tany.
Ny hoe "teny" ao amin' ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Tsy manana teny maro ny fiteny malagasy ôfisialy hilazana ny hevitra manodidina ny teny sy ny fiteny. Miteraka fifangaroan-kevitra sy tsy fitovian-kevitra izany.
"Teny"
[hanova | hanova ny fango]Ny Rakibolana malagasy, ohatra, dia mamaritra ny hoe "teny" toy izao: "feo avoakan' ny vavan' ny olombelona, izay misy heviny", "fitambarana tarehintsoratra misy heviny, rafipeo milaza hevitra iray ka atao indray manonona sy indray manoratra", "enti-milaza koa ny karazan-teny ampiasain' ny firenana samihafa"[2].
"Fiteny"
[hanova | hanova ny fango]Manolotra izao famaritana izao ho an' ny hoe "fiteny" ny Rakibolana malagasy: "teny iombonan' antokon' olona iray, izay saika mandrakariva iray firenena", "fomba entina miteny", "zavatra lazaina", "fomba na baiko atao fifandraisana", "azo tenenina"[3]. Io heviny voalohany io no ampiasaina ato amin' ity lahatsoratra ity.
Fanasokajiana sy famondronana ny fiteny
[hanova | hanova ny fango]Fianakaviam-piteny sy vondrom-piteny ara-jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Fianakaviam-piteny
[hanova | hanova ny fango]Ny fianakaviam-piteny dia vondrom-piteny iray fototra izay nivoatra amin' ny alalan' ny fiampitany amin' ny taranaky ny mpiteny mifandimby avy amin' ny razam-piteny iraisana. Izany no atao hoe fihavanam-piteny ara-pitaranahana; tsy midika fihavanan' ny mpiteny an' ireo fiteny iray fianakaviana ireo anefa izany. Ny firesahana ny fianakaviam-piteny dia vokatry ny fampitahana ny fivoaran' ny fiteny amin' ny zavamanana aina, araka ny môdelin' ny hazom-pirazanana. Ny fametrahana izany fihavanam-piteny izany dia sahanin' ny haifiteny ara-tantara.
Ny ankamaroan' ny fiteny eto amin' izao tontolo izao, na ny mbola misy mpiteny (fiteny velona) na ny efa tsy misy mpiteny intsony (fiteny maty), dia sokajina toy izany. Amin' ny fampitahana ny fianakaviam-piteny amin' ny hazo dia azo atao ny mampiasa ny teny hoe sampam-piteny hilazana ireo fizaràna hita ao amin' ny fianakaviam-piteny iray.
Indreto ny fiankaviam-piteny misy eto amin' izao tontolo izao:
- Fianakaviam-piteny afrô-aziatika na fianakaviam-piteny hamiô-semitika
- Fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley
- Fianakaviam-piteny nilô-sahariana
- Fianakaviam-piteny indô-eorôpeana
- Fianakaviam-piteny altaîka (izay indraindray sarahina ho fianakaviam-piteny torkika, fianakaviam-piteny môngôlika, fianakaviam-piteny tongoza)
- Fianakaviam-piteny oraliana
- Fianakaviam-piteny dravidiana
- Fianakaviam-piteny sinô-tibetana
- Fianakaviam-piteny aostrôaziatika
- Fianakaviam-piteny aostrôneziana
- Fianakaviam-piteny hmông-miena
- Fianakaviam-piteny tay-kaday
- Fianakaviam-piteny japônika
- Fianakaviam-piteny na-dene
- Fianakaviam-piteny eskimô-aleota
Vondrom-piteny ara-jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Ny fianakaviam-piteny izay tsy fantatra mazava ny fihavanany amin' ny dingana ambony kokoa dia atao hoe vondrom-piteny an' erana ara-jeôgrafia (ny fiteny amerindiana indrindra no antsoina amin' izany). Ny fiteny izay tsy azo hamarinina ny fihavanany amin' ny fiteny hafa rehatra dia atao hoe fiteny manirery.
- Vondrom-piteny kôisàna
- Vondrom-piteny kaokaziana (ahitana fianakaviam-piteny telo: fianakaviam-piteny abkazô-adigiana, fianakaviam-piteny kartveliana, fianakaviam-piteny nako-dagestaniana)
- Vondrom-piteny paleô-siberiana
- Vondrom-piteny papoa
- Vondrom-piteny amerindiana
- Vondrom-pitenin' ny tompontanin' i Aostralia (anisan' izany ny fianakaviam-piteny pama-niongana, ny fianakaviam-piteny bonobàna, sns).
- Vondrom-piteny any Andamàna
Fiteny isaky ny kôntinenta
[hanova | hanova ny fango]Fiteny ao Afrika
[hanova | hanova ny fango]Tombanana ho 2 000 any ho any ny fiteny ao Afrika, izay tenenin' ny olona miisa 1 000 tapitrisa any ho any, nefa ireo fiteny be mpampiasa dia vitsy sady maro amin' izy ireo no endri-piteny isam-paritra. Arakaraka ny fomba fiasan' ny manampahaizana no anisana ho 200 na 2 000 ireo fiteny ireo. Ny 50 eo ho eo ihany no misy mpiteny mihoatra 1 000 000 any ho any. Akoatry ny fitenin' ny mpanjana-tany (toy ny fiteny anglisy, ny fiteny frantsay, ny fiteny espaniôla, ny fiteny pôrtogey, sns) dia maro dia maro ny fiteny afrikana voasokajy anaty fianakaviam-piteny dimy: ny fiteny afrô-aziatika na hamitô-semitika, ny fiteny nilô-sahariana, ny fiteny nizerô-kôngôley, ny fiteny kôisana ary ny fiteny aostrôneziana (ny fiteny malagasy).
Fiteny ao Amerika Atsimo
[hanova | hanova ny fango]Fiteny maro isan-karazany ny fiteny ao Amerika Atsimo, ka anisan' izany ireo fiteny amerindiana ao Amerika Atsimo izay mahatrara 600 isa any ho any, voatsinjara ao amin' ny fianakaviam-piteny 118. ahitana fiteny miisa 32, ohatra, ny ao Bôlivia izay voantsinjara ao amin' ny fianakaviam-piteny 15, sady ahitana fiteny manirery miisa enina. Ahitana fiteny miisa 68 ny ao Kôlômbia izay mitsinjara amin' ny fianakaviam-piteny miisa 13, ka ny 10 dia fiteny manirery. Misy anefa ny fifangarihan' ny zava-misy eo amin' ny fiteny lehibe (andina sy goarany) sy ny fiteny madinika amazôniana. Tenenin' ny mponina ao koa ny fiteny nampidirina tamin' ny vanimpotoan' ny fanjanahan-tany sy ny fiteny nentin' ny mpifindra monina ary ny fiteny kreôly niforona taty aoriana.
Fiteny ao Amerika Avaratra sy Afovoany
[hanova | hanova ny fango]Ny ankamaroan' ny fiteny be mpiteny indrindra tenenin' ny mponina ao Amerika Avaratra sy Amerika Afovoany dia nampidirin' ny mpanjana-tany eorôpeana. Niely ny fiteny amerindiana tany aloha, ankehitriny anefa dia voasolon' ny fiteny eorôpeana efatra lehibe, dia ny fiteny anglisy, ny fiteny espaniôla, ny fiteny frantsay ary ny fiteny neerlandey izy ireo. Manampy ireo ny fitenin' ny mpifindra monina, indrindra ny fiteny italiana, ny fiteny alemàna ary ny fiteny sinoa maro. Maro koa ny fiteny kreôly izay niforona.
Fiteny ao Azia
[hanova | hanova ny fango]Ahitana fianakaviam-piteny sy vondrom-piteny na fiteny manirery maro ny fiteny ao Azia. Ny fianakaviam-piteny lehibe indrindra hita ao Azia dia ahitana ireo fiteny altaîka, ny fiteny aostrôaziatika, ny fiteny aostrôneziana, ny fiteny kaokaziana, ny fiteny dravidiana, ny fiteny indô-eorôpeana, ny fiteny afrôaziatika, ny fiteny siberiana, ny fiteny sinô-tibetana ary ny fiteny kra-day.
Fiteny ao Eorôpa
[hanova | hanova ny fango]Ny ankamaroan' ny fiteny ao Eorôpa dia ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, manarakaraka azy ireo ny fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny finô-ogriana. Ahitana fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny torkika koa ao. Ao Kaokazy dia mitana ny anjara toerany lehibe ny fianakaviam-piteny abkazô-adigiana, ny fiteny nakô-dagestaniana ary ny fiteny kartveliana. Ao koa ny fiteny izay ampiasan' olona vitsy dia vitsy (toy ny fiteny baska) izay fiteny manirery, fa ny fiteny maltey kosa no hany fitenim-pirenena ao Eorôpa anisan' ny fiteny semitika. Maro koa ny fiteny nampiasain' ny olona taloha tao Eorôpa izay lasa fiteny maty ankehitriny fa ny sasany kosa tandindomim-pahafatesana.
Fiteny ao Ôseania
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny ao Ôseania dia ny fitenin' ny mponina any Ôseania izay hita indrindra ao amin' ny vondrona telo lehibe: fianakaviam-piteny aostrôneziana, fitenin' ny tompon-tany ao Aostralia ary ny fiteny papoa. Ny mpanjana-tany koa dia nitondra ny fiteniny tao amin' io faritra io, indrindra ny fiteny anglisy sy ny fiteny frantsay.
Fikarohana sy fianarana momba ny fiteny
[hanova | hanova ny fango]Haifiteny
[hanova | hanova ny fango]Ny haiteny no taranja ara-tsiansa andinihana ny fitenin' ny olombelona. Ny mpahay teny voalohany dia ilay indiana Panini izay nanoratra ny boky hoe Ashtadhyayi, lahatsoratra mikasika ny fandinihana ny fiteny sanskrity.
Fitsipiteny
[hanova | hanova ny fango]Ny fitsipiteny dia fitambarana fitsipika momba ny fomba tokony hitenenana sy hanoratana ny fiteny iray, ka na amin' ny lafiny endri-teny izany na amin' ny lafiny fandrafetana fehezanteny, eny fa hatramin' ny hevi-teny sy ny feon-teny aza.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Language |