Farihy Erie

Ny farihy Erie no farihy fahefatra be valarana indrindra ao aminin' ny Farihy Lehibe dimy (anglisy: Great Lakes) any Amerika Avaratra ary ny farihy faha-11 lehibe indrindra eran-tany. Io no atsimo indrindra, ny marivo indrindra, ary ny kely hadiry indrindra amin' ny Farihy Lehibe ary izy no manana ny salam-paharetana fohy indrindra itoeran' ny rano ao aminy. Mahatratra 210 m ny toerana lalina indrindra amin' ny farihy Erie, ka io no hany Farihy Lehibe izay manana toerana lalina indrindra nefa ambonin' ny haabon' ny ranomasina.

Eo amin' ny sisin-tany iraisan' i Kanada sy i Etazonia ny farihy Erie izay faritan' ny faritany kanadianan' i Ontario ao avaratra, indrindra ny saikinosy Ontario, ary ny faritra amerikana Michigan sy Ohio sy Pennsylvania ary New York eo amin' ny morony andrefana sy atsimo ary atsinanana. Ireo faritra ireo dia mizara ny velaran' ilay farihy amin' ny sisina an-drano. Ny tanàna lehibe indrindra eo amin' ilay farihy dia i Cleveland, izay ahitana ny tangoron-tanàna fahatelo lehibe indrindra amin' ny faritry ny Farihy Lehibe, aorian' i Greater Chicago sy i Metro Detroit. Tanàna lehibe hafa manamorona ny morontsiraka dia ahitana an' i Buffalo (ao amin' ny fanjakan' i New York), i Erie (ao amin' ny fanjakan' i Pennsylvania) ary i Toledo (ao amin' ny fanjakan' i Ohio).
Eo ambanin' ny farihy Huron no misy ny renirano Detroit izay mivarina ao amin' ny farihy Erie. Ny fivoahan-drano voajanahary lehibe indrindra avy ao amin' ilay farihy dia amin' ny alalan' ny renirano Niagara, izay mamokatra angovo ahazoan' i Kanada sy i Etazonia herinaratra rehefa manodina torbinina goavana eo akaikin' ny riandrano Niagara ao Lewiston (New York), sy ao Queenston (Ontario). Ny fivoahan-drano sasany dia amin' ny alalan' ny lakandrano Welland, izay ampahany amin' i Saint Lawrence Seaway, izay mampivily rano ho an' ny lalan' ny sambo avy any Port Colborne (Ontario) eo amin' ny farihy Erie, mankany amin' ny St. Catharines eo amin' ny farihy Ontario, misy elanelan-kaavo 99 m izany. Ny fahasalamana ara-tontolo iainan' ny farihy Erie dia miteraka fanahiana tsy an-kijanona nandritra ny am-polony taona maro, miaraka amin' ny olana toy ny fanjonoana tafahoatra, ny fandotoana, ny fihabetsahan' ny ahidrano sy ny sianôbakteria haingana, ary ny fivangongoan' ny otrikaina izay miteraka lohateny lehibe amin' ny gazety.