Fantsona
Fiseho

Ny fatsona na fanjona dia zavatra miendrika varingarina sy hobok' aty sady lava izay natao ho fikorianan' ny ranoka, etona, na vovoka, ho fitaterana angovon-tsindry (rivotra voatsindry, eton-drano, menaka, sns.), na ho fifanakalozana angovo amin' ny alalan' ny vatany (mpanakalo hafanana, mpanapariaka hafanana). Mety ho henjana na malafaka izy io. Ny rindrin' ny fantsona dia manasaraka ny ao anatiny amin' ny eo ivelany ary mamela ahafahana manatanteraka ireo fampiasana azy ireo.