Hankany amin'ny vontoatiny

Fanalan-jaza sy fahafahan-jaza

Avy amin'i Wikipedia
Fanalan-jaza

Ny fanalan-jaza dia fitsaharan' ny fitondrana vohoka alohan'ny haterahan'ny zaza. Raha tsy an-tsitrapo izany dia atao hoe fahafahan-jaza. Samy manana ny lalàny mikasika ny fanalan-jaza ny firenena tsirairay. Raha tsy azo atao ny fanalan-jaza dia maro ny faninganana izay ahafahana manao izany araka ny lalàna: firaisana amin' olom-pady, fanolanana, kileman' ny zaza ho teraka na fitondrana vohoka mety hampidi-doza ho an' ny reny.

Fanalan-jaza sy fahafahan-jaza

[hanova | hanova ny fango]

Misy ny atao hoe fahafahan-jaza voajanahary izay mitranga eo amin'ny vehivavy, izay mazàna tsy fikasany manokana fa noho ny olana eo amin'ny toe-batany (olana eo amin'ny tranonjaza). Misy koa ny fanalan-jaza izay nokendrena, niniana tanterahina, izany hoe an-tsitram-po manokan' ilay mitondra vohoka na noho ny sitrapon' olona hafa[1].

Fomba fanatanterahana ny fanalan-jaza

[hanova | hanova ny fango]

Tsy maintsy misy ny fomba safidina rehefa hanao fanalan-jaza toy ny fanalan-jaza atao amin'ny alalan'ny fanafody izay azo lazaina fa tsotra noho izy tsy ahatahorana hikasika betsaka ny toe-pahasalaman'ny vehivavy, natao kokoa ho an'ny vehivavy raha mbola kely ilay zaza ao an-kibo. Eo koa ny fanalan-jaza izay atao amin'ny alalan'ny fandidiana izay somary sarotra sy manahirana kokoa satria mihatra tanteraka amin'ny vatana ka manahirana ary atao kokoa rehefa lehibe ny zaza ao an-kibony[2].

Antony mahatonga ny fanalan-jaza

[hanova | hanova ny fango]

Mety tsy safidin'ny vehivavy loatra ny hanao fanalan-jaza fa noho fitaka sy fitsoahana adidy ataon'ny lehilahy azy[3], ka noho ny fahatahorana ny ray aman-dreniny sy ny henatra ary ny fahafaham-baraka eo anivon'ny fiarahamonina dia lasa manaotao izany. Matetika koa noho ny herisetra sy ny fanolalana nihatra taminy[4].

Vokatra ateraky ny fanalan-jaza

[hanova | hanova ny fango]

Tena ratsy ny vokatra ateraky ny fanalan-jaza ary tsy mijanona amin'ny lafin-javatra iray fa miitatra eo amin'ny ara-batana izay mety hiteraka fahaverezan-dra be loatra sy havizanana be, ka lasa mitarika hatramin'ny fahafatesana mihitsy aza izany. Ao koa ny aretina hafa toy homamiadan'ny tranon-jaza ka lasa tsy mahazo zanaka intsony (momba)[5]. Tsy mijanona amin' izay ihany anefa fa miteraka fikorotanan-tsaina be ny fanalan-jaza satria mahatonga tebiteby, alahelohelo matetika ary fanenenana mihitsy aza ka izany rehetra izany dia manimba ny rafitra misy eo amin'ny fiarahamonina[6].

Lalàna sy pôlitikan'ny fanalan-jaza eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Mbola tsy mahazo vahana ny fanalan-jaza eto Madagasikara satria tsy eken’ny lalàna ny fampitsaharana vohoka na inona na inona antony araka ny fehezan-dalàna famaizana nivoaka tamin' ny 2017 andininy faha-317 ary mbola maneho izany ihany koa ny lalàna 2017-043 andininy faha-28[7]. Fa indrindra koa ny mpitsabo na mpianatra ho mpitsabo raha tratra miray tsikombakomba dia mahazo sazy hentitra sy fanamelohana higadra 1 hatramin' ny 5 taona an-tranomaizina, miampy onitra 360 000 Ar hatramin' ny 10 800 000 Ar. Raha sanatria ka fantatra fa efa mperin-kelola ilay olona dia mbola sazy mafimafy kokoa noho izany no mihatra aminy[8].

Vahaolana sy torohevitra

[hanova | hanova ny fango]

Tena ilaina ny mifototra amin'ny fanomezana antotan-baovao azo antoka sy mifanaraka amin'ny taonan'ny tsirairay momba ny fananahana sy ny fahasalamana[9]. Ilaina ny fanomezana sehatra malalaka ny tanora haneho hevitra manoloana ny zava-misy sy mitranga. Fa ny tena lehibe dia ny fanabeazana ny isam-batan'olona mba hanana fitondran-tena mendrika sy ho tomponandraikitra amin’ny tenany sy ny hoaviny manontolo.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. ---https://archives.ceped.org/avortement_ameriquelatine_2007/fr/chapitre1/annexe.html
  2. https://www.safeabortionwomensright.org/i-need-an-abortion/abortion-services/?utm_source=chatgpt.com
  3. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2025-12-12. Retrieved 2025-09-02.
  4. https://mg.globalvoices.org/2012/05/18/33086/
  5. https://www.moov.mg/article/68213-fanalana-zaza-fomba-natoraly-tandremo-mety-hanimba-tanteraka
  6. https://wol.jw.org/mg/wol/d/r26/lp-mg/102009201#h=6
  7. https://wol.jw.org/mg/wol/d/r26/lp-mg/102009201#h=6
  8. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2025-12-12. Retrieved 2025-09-02.
  9. https://www-journalmadagascar-com/