Batrachia

Ny Batrachia dia renifilaharana mandrafitra ny vondron' ny Amphibia môderina izay ahitana ny filaharana Anura (sahona sy saobakaka) sy Caudata (na Urodela) (salamandra, tritôna), tsy anisan' izany ny Gymnophiona (vondron-karazana Caecilia) sy ny Albanerpetontidae (na Allocaudata) izay efa lany tamingana. Nampiasain' ny zôôlôjista frantsay Pierre André Latreille voalohany tamin' ny taona 1800 mba hilazana ny sahona, ny anarana hoe Batrachia, saingy nofaritana vao haingana amin' ny heviny filôjenetika ho taksôna mifototra amin' ny fihaonanam-bondrona ahitana ny razambe farany iraisan' ny sahona sy ny saobakaka ary ny salamandra, ary ny taranany.

Ny hevitra hoe ny sahona, ny saobakaka ary ny salamandra dia mifandray akaiky kokoa noho ny Caecilia dia voaaro mafy amin' ny porofo ara-pototarazo mampiasa môlekiola sy ny ara-môrfôlôjia: ohatra, izy ireo no hany biby manana hazondamosina (Vertebrata) afaka manandratra sy mampidina ny masony ao anaty taola-masony, saingy misy vinavina hafa, izay milaza fa salamandra sy Caecilia dia mpihavana akaiky amin' ny Procera, ka ny sahona no mpianabavy amin' ity vondrona ity.
Ny teny hoe "Batrachia" dia matetika mitovy hevitra amin' ny hoe "Amphibia", saingy ankehitriny dia tsy tafiditra ao anatin' izany ny filaharan' ny Gymnophionae, izay ahitana karazam-biby tsy misy tongotra miaina any amin' ny faritra mafana.
Fanakilasiana
[hanova | hanova ny fango]- Caudata Fischer von Waldheim, 1813
- Urodela Duméril, 1806
- Salientia Laurenti 1768
- Anura Fischer von Waldheim, 1813