Hankany amin'ny vontoatiny

Augsburg

Avy amin'i Wikipedia

48°22′N 10°54′E / 48.367°N 10.900°E / 48.367; 10.900

Augsburg
Velarantany146,85 km2
Isan'ny mponina301,033
Tanàn-dehibe
Ben'ny tanànaEva Weber
Firenena Alemaina
Fanjakana Bavaria
Faritany
Faritra
Tanàna mifanolo-bodirindrinaAugsburg

I Augsburg dia tanàna any Alemaina ao amin' ny Landan' i Bavaria (frantsay: Bavière), vakivakin' ny Romantische Straße ("Lalana Rômantika").

Tanàna iorenan' ny oniversite malaza any Alemaina i Augsburg sady renivohitry ny distrikan' i Schwaben (Regierungsbezirk Schwaben), renivohitry ny boriborintanin' i Augsburg (Landkreis) ary foiben' ny diôsezy katôlika iray. Ny lapa sy ny trano fiangonana ary ny trano fandraisam-bahiny maro ao aminy dia ahitana taratra ny fotoana volamena nandalovan' ny tantarany, tamin' ny taonjato faha-15 sy faha-16 naha tanàna nitana ny laharana voalohany azy tany Eorôpa.

Nisy mponina miisa 295 135 ity tanàna ity tamin' ny 31 Desambra 2018 ka mahatonga azy ho tanàna fahatelo be mponina indrindra manarakaraka an' i München sy i Nürnberg, ary tanàna fahatelo any Bavaria (frantsay: Bavière).

Avy amin' ny anarana latina hoe ny Augusta Vindelicorum ny anarany. Atao hoe Augsbourg izy amin' ny teny frantsay fa mety hohagasina hoe Aogsborga.

I Augsburg dia tanàna-boriborintany (Kreisfreie Stadt) sady iray amin' ny tanàna lehibe alemàna (Großstadt) miisa 82 hatramin' ny fiandohan' ny tanjato faha-20; nandingana ny isa 100 000 ny mponina ao aminy tamin' io vanimpotoana io ihany.

Baolina kitra

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]