Hankany amin'ny vontoatiny

Arthropoda

Avy amin'i Wikipedia
Arthropoda amin' ny kilasy samihafa: Trilobita, Eurypterida, Scorpiones, Crustacea, Myriapoda ary Insecta.

Ny Arthropoda dia fisampananana ao amin' ny Protostomia izay heverina fa niseho 543 tapitrisa taona lasa izay. Miavaka ny drafitry ny tenan' izy ireo noho ny fananany vatana voazarazara ho metamera heterônôma, samy manana rantsam-batana iray na maromaro miaraka tsiroaroa ary voarakotra karana ivelany (kiotikiola na akorany) henjana izay voaforon' ny sitinina (akora simika) amin' ny ankabeazan' ny tranga. Tsy maintsy miofoka izy ireo vao afaka mitombo habe sy mahazo taova vaovao na miova endrika. Manome ofony ny fanesorany ny taolany ivelany tsindraindray.

Fampitahana ny rafi-batan' ny tsipongo (Insecta) sy ny hala (Arachnida).

Ny fisampanana Arthropoda no vondrona manana karazana sy mpikambana betsaka indrindra ao amin' ny fanjakan' ny biby (Animalia) sy ny Eukaryota (80 % amin' ny karazana fantatra, toy ny Myriapoda, ny Crustacea, ny Arachnida, ny Insecta, sns.). Maherin' ny iray tapitrisa sy sasany ny karazana Arthropoda mbola misy izay fantatra, izay mampiseho fomba fiaina isan-karazany. Tena maro be ny mpikambana ao amin' io taksôna io: ny Insecta no tena misolo tena azy ireo betsaka, izay tombanana ho 10¹⁹ (10 lavitrisa lavitrisa) eo ho eo no velona amin' ny fotoana iray miaraka. Ny Arthropoda dia vondrona hita hatraiza hatraiza nampifanaraka ny fiainany amin' ny tontolo voajanahary misy rehetra (tany efitra, ala, hantsana, tendrombohitra, sns.) na ireo toerana voatr' olombelona (toeram-ponenan' olombelona, lava-tsolika, sns.) ary anisan' ny biby voalohany nanjanaka ny tontolo an-tanety izy ireo.

Ny Mikrôartrôpôda, izay mirefy latsaky ny 0,2 mm, no kely indrindra amin' ny Arthropoda. Na dia tsy miharihary aza, dia manana anjara toerana lehibe ao amin' ny tambajotran-tsakafo ireo izay anisan' ny mpanapotika noho ny fanodinany ny fatin-javamananaina, indrindra ireo ao anaty tany izay mandray anjara amin' ny famokarana roka miaraka amin' ny karazan-kolatra sasany.

Trigoniulus corallinus (Diplopoda)

Nanomboka tamin' ny taona 2008 dia toa nihena be ny isan' ny Arthropoda: araka ny fanadihadiana navoaka tamin' ny taona 2019 tao amin' ny gazetiboky Nature, nataon' ny mpikaroka manodidina ny roapolo avy amin' ny fikambanana siantifika folo eo ho eo any Alemaina sy any Soisa ary any Aotrisy - nandinika ny fivoaran' ny fisamborana Arthropoda tamin' ny toerana 300 (sahalava sy ala) izy ireo teo anelanelan' ny taona 2008 sy 2017 tao amin' ny faritra telo any Alemaina: nihena avy amin' ny 67 % ny totalin-danjan' izy ireo any anaty sahalava ary 41 % ny any anaty ala nandritra io folo taona io. Nandritra ny fotoana lava kokoa aza, dia nitatitra ny fihenan' ny totalin-danjan' ny bibikely manidina teo anelanelan' ny taona 1992 sy 2019 ny fanadihadiana hôlandey iray. Nahita ny fihenan' ny Coleoptera 83 % teo anelanelan' ny taona 1979 sy 2019 tao amin' ny alan' i New Hampshire ny mpahay siansa amerikana. Any Frantsa dia manana voka-pikarohana momba ny Insecta koa i Vincent Bretagnolle, manam-pahaizana momba ny tontolo iainana ao amin' ny laboratoaran' ny Centre d'études biologiques de Chizé (CEBC): nihena 85 % ny totalin-danjan' ny Carabidae nandritra ny 25 taona.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]
Liocarcinus vernalis (Brachyura)
Hadrurus arizonensis (Arachnida)
Hadronyche modesta (Arachnida)
Lithobius forficatus (Chilopoda)

Izao ny zana-pisampanana sy ny kilasy ao amin' ny Arthropoda araka ny World Register of Marine Species (9 Mey 2016):

  • Chelicerata (tongotra valo)
    • Arachnida Cuvier, 1812 — (maingoka, hala, akariana …)
    • Merostomata Woodward, 1866— (Eurypterida fôsily, Xiphosura)
    • Pycnogonida Latreille, 1810
  • Crustacea Brünnich, 1772 — (folo tongotra (filaharana Decapoda) na mihoatra)
    • Branchiopoda Latreille, 1817 — (Daphnia…)
    • Cephalocarida Sanders, 1955
    • Ichthyostraca Zrzavý, Hypša & Vlášková, 1997
    • Malacostraca Latreille, 1802 — (Homarus, drakaka: Brachyura, Stomatopoda, makamba, cloporte…)
    • Maxillopoda Dahl, 1956 — (Copepoda, Balanomorpha, Pollicipes …)
    • Ostracoda Latreille, 1802
    • Remipedia Yager, 1981
  • Hexapoda Blainville, 1816 — (enin-tongotra)
    • Entognatha Stummer-Traunfels, 1891 — (Collembola, Diplura, Protura)
    • Insecta Linnaeus, 1758 — (vitsika: Formicidae, tantely: Anthophila, lalitra…)
  • Myriapoda Latreille, 1802 — (maro tongotra)
    • Chilopoda Latreille, 1817 — (trambo)
    • Diplopoda de Blainville in Gervais, 1844 — (ankodavitra)
    • Pauropoda Lubbock, 1868
    • Symphyla Ryder, 1880
  • Trilobitomorpha (roapolo tongotra, fôsily daholo)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]