Aconcagua

I Aconcagua dia tendrombohitra any Arzantina any amin' ny 13 kilometatra miala ny sisin-tanin' i Sily ary mahatratra 6 962 m ny haavony miohatra amin' ny ranomasna. Io no tampona avo indrindra ao amin' ny tandavan-tendrombohitra Andes sy ao any Amerika ary any amn' ny ilabolantany atsimo, ary izy koa no tendrombohitra avo indrindra any ivelan' i Azia.

Manerinerina ao amin' ny valan-javaboary midadasika izay miaro ny karazam-biby mampiavaka ilay tandavan-tendrombohitra izy io, indrindra fa ny kôndôron' i Andes sy ny goanakô, ary koa zavamaniry marefo sy tsy fahita afa-tsy any. Maina ny toetany ary vitsy orampanala, na dia eo aza ny fitoeran-dranomandry vitsivitsy. Mora ho an' izay zatra amin' ny tany avo ny fiakarana ao aminy, na dia eo aza ny rivotra mahery indraindray. Toa efa nipetrahan' ny Ketsoà tany am-boalohany àry ilay tendrombohitra. Ny fiakarana ôfisialy voalohany teny amin' ilay tendrombohitra dia nataon' ny Soisa atao hoe Matthias Zurbriggen tamin' ny taona 1897 tao amin' ny ilany avaratra.